Posts Tagged ‘Madagasikara’

Ireo toerana misy ny Sahaja Yoga eto Madagasikara

carte des centres Sahaja Yoga Madagascar

MAHASAHASRARA PUJA 1984

mahasahasrara

“Tena tsara!

[Raha azonareo raisina ny kitapoko – Izy no mitana azy. Tokony hisy olona iray handika izay teneniko. Ekena. Ary amin’ny teny Italiana, amin’ny fiteny italiana ? Avy any Italia – Italiana…? Amin’ny teny frantsay, ekena.

Tena mahafinaritra ny Reninareo ny mahita Sahaja yogis maro be mihaona eto izao amin’ny andron’ny Sahasrara izao.

Heveriko fa tapitra ankehitriny ny fotoana voalohany amin’ny Sahaja Yoga ary manomboka kosa
ny vanim-potoana vaovao. Tao anatin’ny fotoana voalohan’ny Sahaja Yoga, ny teboka niaingana aloha dia ny fanokafana ny Sahasrara, ary tsikelikely – (tsy amin’ny . . . Ko, izay no olana. . . Ao tsara!) ary tsikelikely, ny fivoarana makany amin’ny fahatanterahana. Tsikaritro izao fa maro ireo Sahaja Yogis goavana ankehitriny. Zavatra tena natoraly ny fivoarana izay niainanareo.

Ny vanim-potoana, azo lazaina, tsotra izao dia ny famohazana ny Kundalini sy ny fihoarana ny faritry ny lohamalemy. Araka ny hitanareo eo ambony lohanareo, ireo bandhans. Tahaka ny ao anaty lohanareo, mitovy ihany izany. Ary tahaka izany ihany koa ny fanananareo ireo Chakra, miray ao amin’ny Sahasraranareo.

Noho izany, ny fotoana voalohany amin’ny Sahaja Yoga, nofohazintsika ireo Déités ao amin’ny ireo ivontsika, ao anatin’ny “bulbe rachidien” ary ihany koa ny atidoha. Fa ankehitriny dia tonga
ny fotoana izay hizarana amin’ny sehatra mitsivalana (horizontale). Ary mba ampikisahana azy amin’ny sehatra mitsivalana, tokony ho fantatsika ny fomba hanaovana izany. Tahaka ireo loko fiton’ny avana, manana lokon-kazavana fito isika amin’ireo ivo ireo, na ireo chakra ireo.

Ary rehefa manomboka avy ao aoriana isika, avy amin’ny Mooladhara, rehefa entina hatreto amin’ito ila ito, eo amin’ny Agnya, lasa mipetraka amin’ny filaharana hafa izany, raha mahita tsara ianareo.
Ny tiako tenenina, satria ny Sahasrara dia faritra milempona (concave), tokony ho fantatra tsara fa
ny ivon’ny ny faritry ny lohamalemy dia mifandraika amin’ny fontsika. Ny fontsika noho izany no teboka manan-danja goavana amin’ny vanim-potoana faharoa ankehitriny. Manantena Aho fa azonareo ny zavatra Tiako holaizana.

Noho izany, raha te hametraka ny fiambenanareo ao amin’ny Sahasrara ianareo, ny zavatra tokony ataonareo voalohany, dia ny fametrahanareo ny fiambenanareo ao amin’ny fonareo. Ao amin’ny Sahasrara, ny chakra-ny fo ary ny fo ihany koa, ny Atma, no mihaona. Midika izany fa Jagadamba dia lasa iray amin’ny fo, izany hoe ny Atma. Hitantsika noho izany fa miseho ny Yoga.

Amin’izao fotoana izao, zava-dehibe ny fahafantarantsika fa tokony hanao dingana tena manan-danja isika. Ny Sahasrara manontolo dia mihetsika tahaka izany, ireo chakra dia manome ireo hazavany tahaka izany, manaraka ny fihodin’ny fanjaim-pamataranandro ary io “axe” io dia ny fo.

Noho izany ireo solik’ireo fivavahana rehetra, ireo mpaminany, ireo olona naka vatana rehetra, dia ny fitserana, izay mitoetra ao amin’ny chakran’ny fo. Izany no ahatsapantsika fa, amin’ny vanim-potoana faharoa, ankehitriny, dia tokony hanana fitserana isika. Izao no fotoana isehoan’ny fitserana.

Raha tsy nanana fitserana i Andriamanitra Mahery, tsy nisy izao tontolo goavana izao. Raha
ny marina, ny Fahefany, na ny Adi Shakti, dia ny fahaterahan’ny fitserany. Ary io fitserana io no nahatonga ireo fivoarana hatramin’ny sehatry ny olombelona ary ihany koa ny fanahafahana anareo amin’ny maha Sahaja Yogis anareo.

Ary ny fitserana dia voarakotra tanteraka ny famelana. Noho izany azonareo jerena fa ny “Trinité” dia mihaona amin’io teboka io : ny Zanak’Andriamanitra no famelana, Izy no fahaterahan’ny famelana. Andriamanitra Mahery izay mpitazana, ny Reny izay fitserana ary ny Zanaka izay ny famelana, Mihaona ao amin’ny chakra-ny fo ao amin’ny Sahasrara Izy Ireo.

Raha ny marina, tokony ianarana ny fomba ampivoarana ny Sahasrara. Fantatrareo tsara ny “Déité” izay miahy ny Sahasrara. Raha ny marina, ny toeran’ny Sahasrara dia ao anatin’ny lohanareo, tahaka ny fiheveranareo azy. Fa ivon’izao rehetra izao tsotra izao izy. Mba hampivoatra izany, mila entinareo ao amin’ny chakra-ny fonareo ao amin’ny faritry ny lohamalemy ny fiambenanareo.

Rehefa entinareo ao amin’ny faritry ny lohamalemy ny fiambenanareo, dia tokony apetrakareo ao ny “Déité”. Tokony apetrakareo ao amin’ny fonareo anefa aloha io “Déité” io. Manam-bintana tokoa ianareo raha ny marina, satria miaraka aminareo ny “Déité”. Ireo olona nahazo ny Fahatanterahana ara-panahy alohan’ny fahatongavako teto an-tany dia namisavisa ireo Déités. Ary ao anatin’io vinavina io, tsy tena tonga lafatra izy ireo. Fa araka ny voalaza : “Ao amin’ny Sahasrara, Izy no Mahamaya” – izany no voalaza.

Eny fa na dia hitanareo ihany koa aza ilay olona, tsy azonareo fantarina tanteraka ny momba azy, na amin’ny fomba tsy tena lafatra, na amin’ny fomba tsy tena lafatra. Satria lehibe noho
ny famisavisanareo ny Mahamaya Shakti. Izany no tokony hanoloran-tena. Tsy afaka ny hahita ny “Déité” mihitsy ny famisavisana voafetra-ny atidohanareo.

Voalaza ihany koa : “Izy no Bhakti Gamya”, azonareo fantarina Izy amin’ny alalan’ny Bhakti,
ny fanolorantena. Tokony hisy noho izany ny fanolorantena, fa io fanolorantena io dia tokony ho fanolorantena madio, tsy tokony hisy siaka mihitsy noho izany ao am-po. Tokony hadio ny fo.

Tena sarotra ny mitazona ny fahadiovam-po. Ny zanak’olombelona dia manana fahazoana foana mifandraika amin’ny fisiana (réalité). Fa ny fisiana dia tsy misy pentina. Noho izany, mba ahatrana izany, tokony esorina avokoa ireo karazan-doto maro ao anatin’ny fo.

Eo am-piandohana, manandrana ny hahazo ny Fahatanterahana isika, nefa tsy manana fahadiovam-po. Tamin’io fotoana io, nanana zavatra maro mamatopatotra isika, nihevitra ho ireo zavatra diso maro isika ary nihevitra ihany koa : “Raha mahazo ny Fahatanterahana, ho lasa olona tena mahery isika”.

Aorian’ny Fahatanterahana ihany koa, nanomboka azon’ny tamin’ny zavatra tery isika. Nanomboka nitaky fankasitrahana maro isika, amin’ireo fifandrasantsika, ireo namantsika, ireo reny, ireo anabavy na rahavavy. Ary ireo vehivavy dia nisaina ireo vadiny sy ireo anadahin’izy ireo ary ihany koa ireo zanany. Nangataka fahasoavana ho an’ireo olona izay nisy fifamatorana tamin’izy ireo izy ireo. Ireo fifamatorana ireo, voasongonareo izany, Fantatro izany, tanatin’ny vitsy.

Raha ny marina, ny asan’ny Avatar, dia ny handrakotra ireo fanirian’ireo bhaktas-ny. Ny asan’ny Avatar, dia ny handrakotra ireo fanirian’ireo bhaktas-ny, ireo mpianany. Ohatra, Ireo Gopīs dia nangataka tamin’i Shri Krishna : “Tianay hiaraka aminay ianao, miaraka aminay tsirairay avy”. Nizara ho Krishna maro be izy noho izany ary niaraka tamin’ny tsirairay avy tamin’izy ireo Izy. Fa faniriana masina izany, Heveriko; faniriana tena masin’ireo Gopīs izany.

Fa rehefa niresaka Tamiko ireo rahalahinareo, ireo anabavinareo, ireo reninareo, ireo rainareo ianareo, Niezaka ny nanao izany aho – izay rehetra azo natao. Toy izany ihany koa Kshema izay nangatahanareo, ireo ashrams izay nangatahanareo, ireo zavatra rehetra izay nilainareo dia teo avokoa mba hamaliana ireo fanirianareo. Noho izany, eo amin’ny sehatr’i Krishna, izany no “Yoga kshemam vahamyaham”. Ny Kshema dia nentina teo amin’ny sehatr’i Krishna satria efa nampanantenaina izany. Fa inona kosa no hitranga amin’ny vanim-potoana vaovao ?

Koa satria efa manana fianakaviana tsara ianareo ankehitriny, ashram maro tsara, asa tsara, faly daholo ny rehetra, ndao hisaina ny vanim-potoana manaraka. Ny vanim-potoana manaraka dia an’ny fitserana, araka ny efa Nolazaiko taminareo. Fa raha mbola misy chakra iray marefo ao aminareo, ny hazavana izay lasa fotsy noho ireo loko fito dia mety hihena na tsy tomombana tsara. Noho izany, ireo chakra izay ao aminareo dia mila fanaraha-maso. Mba hampitoetra ny fiambenana isaky
ny chakra, hitondra ny fitserana, ny fitserana isaky ny chakra.

 Ankehitriny, Ndao atao ohatra ny chakra-ny Shri Ganesha. Ento ao amin’ny Shri Ganesha
ny fiambenana ary ampitoeo ao an-tsainareo Izy satria ankehitrio ny sainareo dia masina, ao amin’ny Mooladhara chakra, feno fanajana lehibe.

Eto raha ny marina, tokony ho fantatrareo fa, tao anatin’ny vanim-potoana voalohan’ny Sahaja Yoga, tsy afa-niresaka izany taminareo Aho, ny momba izany. Asa tena lalina izany, asa tena lalina.

Izao, alefaso ao amin’io chakra io ny fihetseham-ponareo (sentiment). Ny chakra, izy no “pradesha”, ny firenena, ary i Shri Ganesha no Mpanjakany. Io no fireneny. Ankehitriny rehefa mametraka
ny fiambenanareo ao amin’io chakra io ianareo, tsy misy zavatra hafa tokony angatahanareo, afatsy zavatra tokana : “Ry Andriamanitry ny fahadiovana, omeo ny olona manerana izao tontolo izao
ny fahadiovana !”.

Tokony hadio anefa ianareo alohan’ny angatahana izany, fa raha tsy izany dia fangatahana tsy nahazo alàlana izany, tsy nahazo alalana ny hanao izany ianareo. Noho izany, tokony hahalala
ny tenananareo ianareo, hijery ny fomba fiasan’ny sainareo, raha te hahalala ny fahadiovana. Rehefa, ohatra, mijery olona ianareo, tsapanareo ve fa tokony ho azonareo io olona io ? Tsapanareo ve fa voasarik’io olona io ianareo ?  Na koa misy eritreri-dratsy ve tonga ao amin’ny fanahinareo ?

Ho an’ny olona madio, rehefa mijery olona tsara izy, na vehivavy tsara, na tantara tsara, na zavatra (création) tsara, ny zavatra voalohany tokony hitranga, dia lasa tsy misy eritreritra izy, mba tsy isian’ny eritreritra intsony. Noho izany, rehefa tsy misy ny eritreritra, dia tsy misy ny filazam-pananana na ihany koa ny eritreri-dratsy (sentiment indigne) rehetra.

Fa rehefa mivavaka amin’i Shri Ganesha ianareo, amin’ny fihetsika tsy nahazoana alàlana : “Miangavy anao aho, mba diovy aho, mba afahako mangataka Aminao izao tsodrano izao : enga anie, na aiza na aiza alehako, ho loharanom-pahadiovana anie aho. Hanely ny fahadiovana anie Aho, ary rehefa mijery ahy ny olona rehetra, ho tsapan’izy ireo anie ny fahadiovako”. Amin’izay fotoana izay dia fitserana izany. Ny fitserana amin’ny fangatahana Aminy ny fahefan’ny fitserana.

Araka ny fahitanareo ireo ivo tsara maro eto izao, tahaka ny manomboka mikisaka manara-bodilanitra sahady ny hazavana. Manomboka mikisaka amin’ny “système nerveux sympathique”. Lasa ianareo, ianareo io fahadiovana mahery io. Tsy lasa vendrana na tsy matotra, fa lasa toy ny zaza ianareo. Ny fitondrantenanareo manontolo dia mendrika sy madio.

Raha ny tokony ho izy, raha mahita olona misy mari-pahamendrehana, tsy olona madio izy raha
ny tena izy. Satria miseho ho an’ny tontolon’ny fanangonana (galerie) izy, mody matotra sy miseho ho mendrika izy mba hanindry aloka (impressionner) ny hafa. Ny zaza kosa anefa tsy mihoatra
ny fahadiovana, ny fahamendrehana na zavatra hafa, satria ny zaza dia tsy mahalala ny fisehoana izay voalala mialoha. Mba ampitomboy io fitambaran’ny “fahamendrehana madio” io.

Ankehitriny, ny toetra tsara iray hafa, aleo lazaina, an’i Shri Ganesha dia manomboka mipoitra eo amin’ny lafiny mitsivalana : mahazo ny fahaiza-manavakavaka (discernement) ianareo. Fa fahefana izany, Averiko indray, io no fahefan’ny fahaiza-manavakavaka izay ampitomboinareo. Tokony ho fantatra ankehitriny ny fahasamihafana eo amin’ny fahefan’ny fahaiza-manavakavaka sy ny fahaiza-manavakavaka izy tenany. Ny fahefana dia midika fa miasa izy.

Ohatra, afaka tsy miteny ianareo. Fa raha mitoetra any ho any ianareo, ny fahaiza-manavakavaka, izy tenany, dia hiseho amin’io fotoana io. Ohatra, raha misy Sahaja Yogi iray, Sahaja Yogi tsara, mitaingina lamasinina ary io lamasinina io dia niharan-doza. Tsy miseho izany tranga izany matetika, fa raha misy izany, tsy misy ny fahafatesan’olona.

Izany hoe apetrakareo ny fahaiza-manavakavaka izay fahefana izy tenany, izay miasa amin’izy tenany ihany. Tsy mila miteny akory ianareo hoe miasa ianareo, izy no miasa, fa fitaovana iasany fotsiny ihany ianareo, ilay tsara sy fitaovam-piasan’ny fahaiza-manavakavaka. Noho izany tokony hino ianareo fa ankehitriny ianareo dia mivoatra manara-bodilanitra.

Nandritry ny vanim-potoana voalohan’ny Sahaja Yoga, nila nahita Ahy mivantana ianareo. Nila nahita Ahy mivantana ianareo. Araka ny filazantsika azy amin’ny sanskrit : “dhyeya”, midika hoe tanjona (objectif). Tianareo ho hitanareo eo anoloanareo io tanjona io, fa hitanareo, tsy misy teny amin’ny anglisy ! Dhyeya : ilay tokony ho tanteraka. (Fa, hitanareo, tsy misy teny ilazana azy amin’ny teny anglisy, inona ary no atao ?) Izany hoe rehefa nirinareo foana izany, nahatsiaro sambatra ianareo, mandry fahalemana, faly, rehefa hitanareo mivantana eo anoloanareo izy.

Avy eo, mandritry ny vanim-potoana faharoa, manomboka izao, tsy maniry mafy intsony ny fisian’
i Neny ianareo. Hisolo ny Toerako ianareo. Izany no Faniriana Masina izay apetrako aminareo.
Ary tokony hiasa iasanareo manomboka androany. Miaraka aminareo Aho. Fantatrareo izany. Fa tsy mila mitoetra ato amin’ito vatana ito Aho. Satria tsy Haiko na Mipetraka ato anatin’ito vatana ito Aho na tsia.

Fa vantany vao manomboka miasa io faniriana io, ho hitanareo ireo tranga mampitola-gaga maro izay hiseho. Rehefa teraka avy amin’ny reny ny zaza iray, anananany hoazy ny nono (lait). Ny natiora noho izany dia mifandray amin’ny zava-drehetra. Ao anatin’io faniriana masina anatinareo io ihany koa, mifandray ao izy. Mazava ho azy fa raha olo-masina ianareo, ho hitanareo na aiza na aiza Aho. Raha mandeha eny amin’ny arabe ianareo, mety ho hitanareo miara-mitsangantsangana aminareo tampotampoka eo i Mataji.

Izao àry no vanim-potoana faharoa izay natombontsika. Ary aza taitra ianareo raha mahita Ahy mipetraka eo ambony fandrianareo mametraka ny tànako eo amin’ny lohanareo. Na ihany koa mety hahita Ahy ianareo amin’ny endrik’i Kristy mandeha ao an’efitranonareo, na ihany koa amin’ny endrik’i Shri Rama. Tsy maintsy hitranga izany, koa tokony hiomana ianareo.

Maro ireo fahagagana izay niseho taminareo, fa tamin’ny endrika tsotra : nahita hazavana nilatsaka teo amin’ny Lohako Aho ary ireo mpaka sary maro dia nampiseho anareo fahagagana maromaro. Zavatra maro anefa no hitranga, izay hahitanareo zavatra tsy nosaininareo hatrizay. Tsy maintsy hitranga tsotra izao izany mba handresen-dahatra anareo fa tonga amin’ny aavo iray amin’ny fivoaranareo ianareo amin’ny vanim-potoana vaovaon’ny Pragyalok.

Satria io no sehatra vaovao izay idiranareo ankehitriny amin’ny lafiny manara-bodilanitra. Hitsahatra ny fangatahanareo zavatra tsy misy fotony, rehefa ao anatin’io tontolo io. Ary ihany koa ny zavatra faran’izay lalina, zavatra faran’izay lalina. Ho foana ireo ataka. Ary io no fotoana izay hahatonga anareo ho “tena mahery”. Izay teneniko dia mitranga, fantatrareo izany. Ny zavatra tokana, dia tsy afaka ny hanery anareo ho olo-mandroso Aho.

Efa vita ny ampahany lehibe amin’ny asan’ny Kundalini ao anatinareo. Ankehitrio, ny asan’ny fitserana, ny fifandraisana amin’ny hafa, dia tokony ataonareo. Rehefa manomboka mamirapiratra foana ny fanilo, miha-lehibe hatrany ny faritra izay rakofany. Tahaka ny fahatongavanareo ho ilay mpanome ny fitserana.

Nandritra ny resadresako farany, izay efa henonareo, Nanontaniako anareo ary nazavaiko
ny fanaovana tapas. (Oh, Hitako, Azafady. Tsara. ) Amin’ny saina feno fanoloran-tena, tokony hanao “pelerinage” ianareo, aleo lazaintsika hoe, ho ety amin’ity lapa ity. Ity misy sombiny amin’ny tapa izay tsy maintsy ataonareo. Satria nisy nilaza Tamiko fa misy aminareo no sahirana ary nijaly kely teny an-dàlana, mba hanao pelerinage. Fa tena mahafinaritra, izany hoe mpisedra fiainana (aventureux) izany ary mandeha any amin’ireo toerana maro tsy sahin’ny demony aleha izany ! (“Fun” : tsy misy teny mahalaza izany ! Tsy nanana “Fun” ry zareo hatrizay. Jereo ange, faran’izay ratsy !)

Ary rehefa hainareo ny mifaly amin’ireo mody atao hoe olana maro, tokony ho fantatrareo fa eny amin’ny làlana tena izy ianareo. Ary rehefa manomboka tonga ho azy ao aminareo ny fahazai-manavakavaka, tokony ho fantatrareo fa mandroso tsara ianareo. Rehefa feno fahalemana tanateraka ianareo ary manjavona ny hatezerana rehefa misy olona manafika anareo, fantaro fa mandroso tsara ianareo. Rehefa misy fitsapana na fahoriana mihatra amin’ny tenanareo ary tsy miasa saina ny amin’izany ianareo, fantaro fa mandroso ianareo. Raha toa ka sanatria. . . Raha
 ny fitomboan’ny zavatra maro izay tsy misy fotony no tsy manaitra anareo, fantaro fa mivoatra ianareo. Raha ny fampideram-pananan’ny hafa no tsy mampalahelo anareo, tsy mampalahelo anareo intsony, fantaro fa mandroso tsara ianareo.

Tsy misy valin-kasasarana na olana mitambatra ho ampy hahatonga ho Sahaja Yogi. Fa na inona na inona andramana, tsy afaka ny ho tonga Sahaja Yogi. Fa ianareo, voarainareo “tsy nisy ezaka na dia kely monja” aza izany. Izany hoe olona hafa mihitsy ianareo. Ary rehefa tsapanareo fa tsy mitovy amin’ny rehetra ianareo, lasa manetry tena ianareo.

Ary, rehefa tonga aminareo izany, lasa manetry tena ianareo eo am-pahitana ny zava-bitanareo,
fa manana hery maro ianareo, mampita ny fahadiovana ianareo, fa manana ilay fahaiza-manavakavaka ianareo. Ary vokatr’izany dia lasa olona feno fitserana sy fanetrentena ianareo, olona malefaka tokoa. Tokony hatoky ianareo fa tena ao am-pon’ny reninareo.

Izany no marika hahalalana ny Sahaja Yogi vaovao, ankehitriny, amin’izao vanim-potoana vaovao izao, izay tokony handroso any amin’ny hery vaovao. Amin’ny toerana izay hitomboana haingana, tsy manao meditation, ao anaty meditation ianareo. Tsy manoloana Ahy akory, ho eo Anoloako ianareo. Tsy mangataka, ho tahian’ny Ray ianareo. Izany no miandry anareo. Ary Raisiko indray ianareo amin’izao fotoana vaovao anio izao. Amin’ny andron’ny Sahasrara.

Andriamanitra anie homba anareo rehetra !”

 

Mahasahsrara

Shri Mataji Nirmala Devi Château Mesnières, Rouen (France), 5 May 1984.

Voadika tamin’ny teny Malagasy, 27 aprily 2014

***TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA ***

Shri Ganesh, Dika Soratara Nalaina Tamin’Ny Magazine ‘Divine Cool Breeze’

LESONA SAHAJA YOGA – MALAGASY

VAVAKA

Mother, please come in my heart
Let me clean my heart so that You are there
Put Your Feet into my heart
Let Your Feet be worshipped in my heart
Let me not be in delusion
Take me away from illusions
Keep me in Reality
Take away the sheen of superficiality
Let me enjoy Your Feet in my heart
Let me see Your Feet in my heart.

http://youtu.be/X6KZ6VnQ714

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

—————————————————————————————

MAHASHIVARATRI

 

MANDRAISA ANDRAIKITRA

FAUTEUIL

Sahaja Yogi : Neny…
Shri Mataji : Inona ito ?
Sahaja Yogi : Vavaka ito, Neny, hoan’ny fiodinana any Angletera sy Cardiff ihany koa.
Shri Mataji : Cardiff Shri Mataji nihomehy Ah, Cardiff. Tokony hahomby io any Cardiff. Ahoana ny hevitrareo ?
Sahaja Yogi : Maro ireo mpampiantra sandoka. Tena miasa mafy noho isika izy ireo.
Shri Mataji : Misy mpampianatra sandoka.
Sahaja Yogi : Eny, maro, eny.
Shri Mataji : … any Cardiff ? Tsia – Maro kokoa any Londres. Hehy
Sahaja Yogi hafa : Maro ny olana sedraintsika aty.
Shri Mataji : Nolazaiko tamin’i Gavin fa tokony handeha any Angletera ianareo. Tsy afaka ny hanao izany intsony Aho ankehitriny. Tsy tokony hanao izany intsony Aho, satria efa nataoko izany. Ny Tiako ho lazaina dia izao, tamin’ireo firenena maro izay notsidihako dia maro ireo miteny : “Neny, efa notetezinao avy any ambony ka hatrany ambany i Angletera, im-betsaka izany ! Notsidihanao avokoa ireo toerana rehetra tao Angltera. Fa tsy mba nataonao izany taty amin’ny firenenay.”

Tena tsara, maro be ianareo ankehitriny, tokony ataonareo izany…. Anjaranareo ny manao izany ankehitriny, tokony hiodina ianareo ankehitrio, fanasana tena tsara tanterahana i Cardiff.Tokony ataonareo izany ary hotanterahanareo. Ankehitriny, hisy fialan-tsasatra, tokony handeha ary ho tonga amin’ireo toerana maro samihafa izay Nalehako ianareo. Tena mora ny fanatontosana izany, maro ireo namanareo any, misy ireo centres-nareo any.Tokony ho any avokoa ianareo, hanao dokambarotra, miasa any, mametaka afisy, zavatra maro tahaka izany.
Tokony ho vitanareo izany ohatry ny hoe any koa aho. Azonareo ampiasaina ireo horonam-Peoko. Omaly, kasety goavana no nampiasaina, azonareo ampiasaina izany. Na inona na inona kasety tadiavinareo, azonareo angatahana izany. Azontsika atao izany. Azontsika atao ihany koa ny mampiseho ny horonantsarin-tsika. Heveriko fa tokony arindranareo ary alaminareo izany. Mila mamoaka vola kely, tsy olana izany. Ohatry ny fialantsasatra rehetra.

Ny Tiako ho lazaina, ireo izay maniry ho any India dia tokony ho any, raha afaka manao izany, fa raha tsy izany dia aoka izy ireo hijanona. Nandritra ny efa-taona voalohany, Izaho no niantoka ny fampiantranoana azy ireo, Naloaka daholo ny zava-drehetra. Hanamafy izany i Gavin. Fa ankehitriny, tsy afaka ny hanao izany amin’ny olona maro be Aho. Miala tsiny Aho. Ianareo ihany no tokony handoa ny sakafonareo sy ny saran-dalanareo. Fa tokony ho raisinareo ho toy ny asa ny fandehanana any Angletera io, ny firesahana amin’ny olona, makà olona maro rehefa tonga any, manaova dokambarotra (programa ho an’ny daholobe), mitadiava hevitra ianareo irery (débrouillez-vous), izany no tokony ataonareo. Tsy firenena tena goavana izy ary ianareo kosa maro be…

Fa ny tena mahatalanjona, ireo mpampianatra (gourous) dia fantatra manerana izao tontolo izao. Tsy misy mahalala Aho. Ny antony dia satria ny Sahaja yogis dia mialoka ambanin’ny fanahiny, izay fotsiny.

Endrika iray tokony ataonareo izany, izany no tokony omenareo, mampiely ny Sahaja Yoga.

Mety hisy olona maro tsy ho tia anareo ary handroaka anareo. Mety hiteny zavatra ratsy aminareo izy ireo. Mety hisy sahaja yogis hifamaly aminareo any. na ny sahaja yogis koa aza, rehefa manao ny asa izy ireo, tsy miasa miaraka, mifampitsikera. Tsy azon’ireo indiana izany. Hitanareo, henoin’izy ireo ianareo, tsy ho fantatr’izy ireo ny antony hifamalianareo. Nolazaiko azy ireo izany : “Tian’izy ireo ny mitsikera noho ny fitiavana mitsikera. Tsy misy dikany izany”. “Tsy miteny ireo indiana, tsy mifamaly izy ireo. Mifaly amin’ny zava-drehetra fotsiny izy ireo. Maro tamin’izy ireo no niteny tamiko : “Be loatra ny fifamalian’izy ireo, be resaka loatra izy ireo. Mifamaly foana izy ireo”. “Tian’izy izy ny mitsikera”. Izany no navaliko azy ireo, ary izao no zava-misy.

Tokony handeha ianareo ary hanampy anareo amin’ny fiakaranareo izany. Satria nahoana i Andriamanitra no tokony hanome hazavana ho anareo raha tsy zarainareo amin’ny hafa izany ? Tsy tokony ho kilalaom-pahefana (jeu de pouvoir) anefa izany. Fanentrentena izany, fanampiana, izay tsy tokony iandrasanareo tamby, na ahoana na ahoana. Tsy tokony hanindry ny hafa ihany koa ianareo. Diso ireo zavatra roa ireo. Raha misy zavatra tiantsika atao, misy fialan-tsasatra izao, fialan-tsasatra telo volana. Ho any Eoropa Aho. Azafadafy, mitadiava hevitra ianareo irery (débrouillez-vous), zava-tsoa tokoa izany, ny Fahabangako (mon absence) dia hitondra fahasoavana ho anareo. Hevitro ny hisoloanareo Ahy.Ankehitriny, aza miandry ny toromariko, azafady, ataovy izany. Ireo izay te hanao ny asa, atsangano ny tànana. Aleo jerena. Izany tokoa. Nihomehy Shri Mataji. Izany tokoa ve ? Matoky anareo Aho. Misaotra”.

Shri Mataji Nirmala Devi, fihaonambe nasionaly – Mahamaya, fizarana voalohany, Birmingham, 20/04/1985

« Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin’ ny farafara; fa ataony eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’izay miditra ny mazava. » (Lio 8:16)

“Ny fananana hambo mba ho an’ny voninahitra sy ny harena dia mitarika fahantrana. Raha misy zavatra goavana ataonao, vitao izany ary mialà ianao. Izany no lalàn’ny lanitra”. (Lao-tseu – Tao to king-9)

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

—————————————————————————————

MAHASHIVARATRI

Shiva-Shakti

Androany, hanao puja ho an’i Shri Shiva isika. Araka ny efa fantatrareo, Shri Shiva no taratr’i Srhi Sadashiva ao anatintsika. Efa noresahako anareo izany taratra izany. Sadashiva no Andriamanitra Mahery, Izy no mahita ny kilalaon’i Adi Shakti. Fa Izy no Ray izay mandinika tsirairay amin’ireo asa-Tànany na ny an’i Adi Shakti. Manohana tanteraka ny Adi Shakti Izy, ary manampy azy. Tsy misy fanahiana, na dia kely aza ao an-tsainy, mikasika ny fahefan’i Adi Shakti. Fa raha mahita kosa Izy, ao anatin’ny kilalaon’i Adi Shakti, ireo olona na koa izao tontolo izao mikasa ny hanakorontana na hanimba ny asa-tànany, miditra an-tsehatra Izy amin’ny toetrany feno hatezerana, ary mamotika ireo olona ireo Izy, ary mety ihany koa izao tontolo izao.

Amin’ny lafiny iray, feno hatezerana Izy, tena marina izany. Etsy ankilany kosa, Izy no ranomasim-ben’ny Fiantrana (compassion) sy ny hafaliana (joie). Izany no manambara fa rehefa mitoetra ao anatin-tsika Izy, mahazo ny Fahatanterahana ara-Panahy (Réalisation du Soi) isika, mahazo ny hazavan’ny Fanahintsika isika ary milomano anatin’ny ranomasim-ben’ny Hafaliana. Ranomasim-ben’ny Fahalalàna ihany koa Izy, ary izay mahazo ny Fahatanterahana ara-Panahy dia mahazo ny Fahalalana Masina, izay tena lalina, izay mifono ny atoma sy ny molekiola. Ny herin’ny Fahalalany dia ao. Ny fomba fiasana, ao anatin’ny fiantrany, Mamela, eny, na dia ireo Rakshasas faran’izay mahery setra Izy, raha toa ka manaiky azy.

Satria tsy manampetra ny Fiantrany, ary indraindray aza ireo olona izay notsofiny rano dia mikasa ny hanakorontana ireo mpianatry ny Adi Shakti. Natao hanisy endrika ny zava-miseho fotsiny anefa ireny rehetra ireny. Raha tsy misy ny tantara, tsy hahafantatra mihitsy ny olombelona. Natao ho an-tsika ny Ramayana, natao ho antsika ny Mahabrarata, nomboina tamin’ny hazofijaliana i Kristy, nampahoriana i Mahomet. Maro ireo zava-niseho, satria raha tsy nisy ireny, tsy hahatadidy ny olombelona.

Noho izany mandritry ny fiainana ara-panahin’ny olombelona, nahita tantara maro mikasika ny tso-dranon’i (benedictions) Shiva sy ny fahefan’i Adi Shakti Izy ireo. Satria miova izao rehetra izao, ao amin’ny tantaran’ny fivoarana ara-panahy, fahitana lehibe no nitranga, izay afahan’ny olon-drehetra mahazo ny Fahatanterahana ara-Panahy, ho an’ny daholo be, olona an’arivony maro ankehitriny no afaka hahazo ny Fahatanterahana ara-Panahy.

Mahashivararatri Puja – fizarana 01

Shri Mataji Nirmala Dévi – 03 marsa 1996 – Sydney (Aostralia)

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

—————————————————————————————

FIDIANA NY FIANAKAVIANA NA ANKOHONANA

Sahaja Yogi: Ary ny mikasika ny rahalahy?

Shri Mataji: Ah? Ny rahalahy na anadahy dia ny fo havanana, ao amin’ny fo havanana, ny rahalahy na anadahy dia ao amin’ny fo havanana. Ny reny dia ao amin’ny fo havia ary ny ray ihany koa dia ao amin’ny fo havanana. Hitanareo, ny rahalahy na anadahy dia ao amin’ny fo havanana ary ny rahavavy na anabavy dia ao amin’ny havia… Ny zokilahinareo matoa, azonareo henoina amin’ny havanana izy ary ny aivo (Manondro teboka iray Shri Mataji).

Raha tena miditra amin’ny antsipirihany ianareo, Tena mahaliana ny mahita fa ireo fifandraisan’ny mpirahalahy dia tena misy dikany. Fa maninona ? Satria nofidinareo izy ireo. Raha teraka ianareo, fidinareo ny rainareo, ny reninareo, ny olon-drehetra, nofidinareo ny tsirairay avy amin’izy ireo. Izany no mahazava-dehibe ny fianakaviana. Fa raha ny fianakaviana ankehitriny, hitanareo, tsy Vitako ny hiteny – ohatra raha te hiresaka amin’ny rainareo aho : « tsia, tsia, dadanay dia olona tena masiaka ary manao izao izy, manao iroa ». Hitanareo fa simban’ny tsy fahampian’ny dharma ny zava-drehetra (système), noho ny antokom-pivavahana (religion), hitanareo ? Ny ray dia tsy mandray ny andraikiny amin’ny maha-ray azy. Ny zanaka lahy tsy mahalala ireo adidiny.

Hitanareo, iza no niteny taminareo hoe andramo daholo ny zava-drehetra ? Naka traikefa avy amin’ny alalan’ny fiainam-pianakaviana izy ireo, avy amin’ireo izay ananan’izy ireo.

Mitoera irery, irery koa ireo zaza ireo. Ary raha irery ianao, misy homamiadana ao aminao ao. Amin’ny fomba ahoana ? Satria ny sela izay lasa irery dia tsy misy fifandraisana amin’ny rehetra, homamiadana izany, ohatra, “tumeur maligne”… Ndao atao hoe misy olona miteny hoe : “tena irery aho, tsy mijery izay lalàna any aho”. “Noho izany aleo makany am-pigadrana”. Ohatr’izany. Toy izany ihany koa rehefa manao zavatra tsy misy ifandraisana amin’ny hafa isika, manao ireny hadisoana izay manimba ny chakras-tsika ireny isika.

 Ankehitriny, io chakra (Agnya) izay eo afovoany ary eo amin’ny fihaonan’ny, raha azo atao milaza azy, izay hifanenan’ny « nerfs optiques », eo amin’ny « chiasme optique » araka ny filaza azy. Eo amin’ny teboka io, tena lalina io ivon-kery iray io, izay mifehy ny ego sy ny superego-nareo, araka ny hitanareo amin’ny charte. Ekena ? Ary izy no mifehy ny fijery ao aoriana (back agnya)…

Noho izany, izy no chakra, izay ananantsika (manondro ny Agnya Shri Mataji) izay eto afovoan’ny karandoha, ao anatiny, izay miasa ao aoriann’ny karandoha sy eo anoloana. Ny eo aloha anefa, miseho amin’izay (tsy heno). Mitoetra eo afovoany i Kristy, aleo ho tenenintsika ary ito (eo amin’ny handrina) i Shri Karikeya, izay iray amin’ny fahefany.

Noho izany dia tonga teo amin’ny chakra io i Kristy ary eo no afahana mandavaka (hita) fa eo afovoany, eo amin’ny chiasme optique, teo izy no nipoitra. Tonga teto izy satria nolazainy hoe : “Izaho no varavarana”. Ny varavarana izay hitanareo fa, eo am-baravarana Izy. Ary tonga teto izy (Andriananahary) mba hanoro ny fomba handikana ny varavarana. Noho izany, Ny Fitsanganany amin’ny maty, eo amin’ny agnya chakra dia midika fa azonareo rehetra atao tsara any mitsangana amin’ny maty. Nanao ny varavarana ho antsika izy ary isika rehetra dia hitsangana amin’ny maty amin’ny alalan’io varavarana io. Tsy niteny izy : “Izaho no tanjona”. Noteneniny hoe : “Izaho no làlana sy varavarana, izaho no varavarana”. Fa tsy ny tanjona izy. Ankehitriny, aiza no tanjona ? Eto (ao amin’ny Sahasrara) – Miala ny haizina rehetra. Mila misokatra io chakra io ary izany no asan’ny Reny ».

Shri Mataji Nirmala Devi, resadresaka, fanontaniana sy valiny – Leeds, Angleterre, 18/06/1979

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

—————————————————————————————

TSY AZO EKENA NY FANANDEVOZANA

Shri Mataji Nirmala Dévi

« Karazana-pijaliana ara-tsaina, rehefa misy olona manindry anao. Hitanao, mandroso ianao amin’ny filanjana ny hazofijalianao. Nefa dia izany fiheveran’ny olona maro an’i Kritsy izany. Ny fitondrana ny hazofijaliana dia tsy midika velively fa raha misy olona mitady hampijaly anao dia tokony ekenao ny filanjana izany fanandevozana izany. Tsy tokony hanompo na iza na iza ianao !

Raha misy olona, na iza na iza, mikatsaka ny hampanompo anao, mila lavinao tanteraka izany. Mila teneninao ny « Ham, izaho no izaho ». Fa iza ianao no hanindry ny hafa ? Ny tsirairay avy, na manana volon-koditra maintsy, mena na mavo, tsy misy olona mananjo hanindry ny hafa manerana izao tontolo izao.

Ary raha miteny ny olona : « inona àry izao no atao, olona mahantra (pauvres gens) isika, toy izany isika, na koa hoe izy no milanja ny enta-mavesatra », ary izay manaraka izany, mitsoaka ny andraikira izay tokony ataon’izy ireo amin’ny tenany izy ireo. Tsy mendrika ny hahazo Fahatanteraha ara-panahy ny olona tahaka izany. Tsy misy andevo ho tonga olo-masina !

Noho izany, ny fanandevozana izay heverina fa mifandraika amin’ny filanjana ny hazofijaliana, dia fifangaroana entin’ny fiainana maoderina.

Fa inona àry no dikan’ny filanjana ny hazofijaliana ? Voalohany, ny olona mitovy habe (du niveau) amin’i Kritsy dia mijaly mandrakizay. Fitaka (illusion) fotsiny ihany izany, io no “lila” (kilalao masina), toy ny tantara an-tsehatra izay lalaovin’izy ireo izany. Tsy mijaly mandrakizay izy ireo. Ary na dia miasa araka ny atao hoe fijaliana aza izy ireo, ataon’izy ireo izany satria tiany atao. Tsy olona osa izy ireo, tsy andevo izy ireo. Ary ireo izay mihevitra fa ho tonga Kristianina amin’ny fifikirana amin’io fijaliana io ary mizaka izany, dia tokony hahafantatra fa ao amin’ny psikolojia (psychologie) izany.

Shri Mataji Nirmala Devi, Puja sur l’Agnya, Caxton Hall, Angleterre, 18/12/1978

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

—————————————————————————————

30 Aogositra 2013

FAMELANKELOKA SY ADIDIN’NY SAHAJA YOGIS

Mother Shri Matji

« Tonga ankehitriny ny fotoana izay tokony hanaovanareo zavatra bebe kokoa noho ireo olo-masina teo aloha, mba handresena, mba tsy hitananareo ny Sahaja Yoga ho anareo irery : manana ankohonana ianareo, manana zanaka tena hendry ianareo, tianareo izany, tsy ho an’izany anefa Sahaja Yoga. Sahaja Yoga dia natao hanova izao rehetra izao. Saino tsara izany : inona no ataonao, aiza ianao izao ? Ary inona no zavatra vitanao avy amin’ny Sahaja Yoga ?

Tonga eo amin’ny chakra-ny Agnya chakra isika. Eo aminy chakra-ny Agnya, ny zava-nisy, eo no afahan’ny Sahaja Yogis, tena marina izany, mahazaka ny zava-drehetra, afaka leferiny daholo ny zava-drehetra. Tsy izany no tadiavintsika. Ny tadiavintsika, hanafoana ireo fahorian’ny hafa, hanafoana ny herisetran’izy ireo. Fa tsy ataontsika anefa izany-tsy manana izany fikambanana izany isika, tsy manana izany fomba fijery (comprehension) izany isika. Ary raha tanteraka izany, olon-kafa mihitsy ianareo.

Lasa mitovy amin’ireo olo-masina isika, hitanareo, ao anatin’ny fitokana-monin’izy ireo, zavatra toy izany. Tsy misy ampiana. Tsara kokoa noho izany raha manao zavatra tsara, tsy misy herisetra. Fantatro fa misy aminareo no mbola mahery fihetsika, mihoatra “hitanao  aho”, Fantatro izany. Fa raha te-hiasa ho an’ny fihavanana (collectivité) ianareo, dia fantatrareo ny tsy mety (defaults) ao aminareo ary ny tsy ampy ao amin’ny vatanao (personnalité). Zava-dehibe izany. Eo amin’ny Agnya chakra, maro ireo Sahaja Yogis no very ao. Tsy fantatro izay mahazo azy ireo. Efa nolazaiko taminareo fa eo amin’ny Chakra-ny Agnya, mila mamela heloka ianareo. Tsy midika anefa izany fa mamela ny olona hanao ny ratsy ianareo. Satria te hamela ianareo, tena mora ny tsy miady, tsy miteny na inona na inona, mitoetra ety ivelany, mamela tsotra izao. Tsia ! Miresaha amin’io olona io ary teneno fa diso izy. Mila atrehinao izy. Fa raha tsy vitanareo ny miatrika azy, tsy misy ilana anareo, tahaka ny olona hafa. Inona no nilanao ny Fahatanterahana ara-panahy ? Tokony ho fantatsika noho izany fa tsy ny fahenoana ny hery (vibrations) no farany, na mandeha tsara ihany koa, na afaka manasitrana olona maro. Tsia. Mila aelinareo izy (Sahaja Yoga), mila manatona ny hafa ianareo, milay miray (collectifs) ianareo ary manaparitaka ny Sahaja Yoga. Na dia maro aza ny Sahaja Yogis manerantany, tsy mbola mandroso tsara isika. Ankehitriny, mila alaminareo (planifier) ny zavatra tianareo atao. Ahoana no fomba anaovanareo azy ary amin’ny fomba ahoana no ampihelezanareo ny Sahaja Yoga, zava-dehibe izany. Satria ianareo, Sahaja Yogis, dia tsara, aleo tenenina, amin’ny filazana ny Sahaja Yoga, amin’ny fihirana azy. Fa tsy misy dikany izany rehetra izany, raha tsy misy porofo mazava tsara fa nitondra olona maro ao amin’ny Sahaja Yoga ianareo.

Any amin’ny firenena kely atao hoe Turquie, manana 25000 Sahaja yogis isika. Inona no teneninareo ? Silamo daholo izy ireo. Silamo 25000 izay lasa Sahaja Yogis. Nefa ny isan’ny Yogis any amin’ny firenen-kafa dia faran’izay kely (ankoatra ny India sy Rosia). Tsy tena manankarena izy ireo, fa kosa miahy Fahatanterahany ara-Panahy ary manome ny Fahatanterahana ara-Panahy ny hafa. Mahatalanjona ny fahombiazany, ny fiomboany.

Noho izany, hevero ny fanomezana ireo fahefana ho an’ny hafa sy ny hahatonga azy ireo ho Sahaja Yogis noho ny fierietreretana ny olanareo, ny fahavalonareo ary ny fahefanareo. Tena zava-dehibe izany. Raha ao amin’ny Sahasrara ianareo, dia anananareo ny fahefana rehetra. Raha eo amin’ny Sahasarara ianareo, ka tsy manaparitaka ny Sahaja Yoga, inona no ilanareo ny Fahatanterahana ara-panahy ? Ho anareo irery ve ? Tena fitiavantena izany. Noho izany, Lazaiko aminareo, miangavy anareo Aho, ezaho ny hampitombo ny olona hampiatra ny Sahaja Yoga noho ny fampisehoana ny zava-bitanareo, ny fahamatoranareo, ny voninahitrareo. Midira ao amin’ny hery tena miasa. »

Shri Mataji Nirmala Devi, Adi Shakti puja, Cabella, 23/06/2002

Araho ny lien manaraka raha te hamaky ny lahatsoratra amin’ny teny frantsay :  Le pardon n’est pas l’inaction

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

24 Aogositra 2013

AZA MAMORONA FIKAMBANANA

http://1.bp.blogspot.com/_qOteG3iayyc/S2qMBlzKfcI/AAAAAAAABts/GcC6ZHyOkbY/s400/krishna-vaches.jpg

« Fiovana ara-panahy goavana no ho azon’izao tontolo izao. Hadio izao tontolo izao noho io fiovana io, ary hijanona ao anatin’ny ranomasimben’ny hafaliana, ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Mba hahatontosa izany, miaraka ampian’ny faharetana, ny tsirairay avy dia tokony hanolo-tena, ary mba hahatomombana izany, ny zava-dehibe indrindra dia ny fihazonana ny hery. Raha miasa miaraka amin’ny hery isika, dia tsy ho lavitra izany andro izany, ary ho rakotra fiadanana ity tanintsika ity. Fa ny sakana lehibe indrindra izay atrehiko, dia rehefa tsy lalina ny Sahaja Yogis. Tokony ho lalina ny Sahaja Yogis. Adidy goavana tokony ho raisin’ny Sahaja Yogi tsirairay avy io fiovana io, izay tena manana ny maha-izy azy. Hatramin’izao, ny Sahaja Yogi izay Hitako, dia manan-javatra, ity, eroa, ny tsy mety : “manana olana isika, Shri Mataji, mitohana ny chakra-nay. Misy an’izao mihatra aminay, manana izao olana izao izahay, izao sy izao.” Fa, rehefa manomboka manome, rehefa manomboka manome ny hafa ianareo, mikarakara ny maha-izy azy ireo, mihena ho azy ireo zavatra rehetra ireo…

Fa, ny zavatra tena ambony indrindra dia ny tsy fatokisan-tsika ny tenantsika ; tokony ho resentsika io tsy fahatokisana io. Ho resahako aminareo izany Dr Warren izany, izay ato izy izao. Vao tonga tato amin’ny Sahaja Yoga izy  naira-niaina tamintsika izy nandritra ny valo (8) andro raha be indrindra… Voalohany indrindra, tsy fantany hoe ahoana no fomba fanitsian-tena. Fa na inona na inona, rehefa nety tsara izy, dia lasa niverina tany Aostralia, ary nanampy olona maro mba hiala amin’ny sakana, nanao soa tamin’ny olona maro ka na Izaho aza gaga mihitsy. Fa izy izay tsy nahalala hoe iza I Ganapati (Shri Ganesha), tsy nahalala na inona na inona momba ny “Déva” (déités), tsy nahalala na dia kely aza mikasika ny Kundalini, dia tsara tao anatin’ny 8 andro, ary nanaparitaka tany Aostralia. Noho izany, ny fisainana fa hoe tsy vitantsika io na tsy mahalala hoe ahoana no anaovana azy : “misy an’ity olana ity, ahoana ary izao no ho sainin’ny hafa”. Raha manana izany fomba fisainana izany isika, tsy handroso mihitsy Saha Yoga…

Raha tsy miray hina ianareo, tsy ho vita mihitsy io asa io. Mila miray hina isika ary miray, izany no midika fa sombin’ny vatana iray ihany isika. Ny Sahaja Yogi iray dia tsy tokony heverina ho hafa mihoatra amin’ny Sahaja Yogi iray hafa… Noho izany, ny voalohana indrindra, ny fitsipika voalohany indrindra, ny Sahaja Yogis dia tsy miady amin’ny Sahaja Yogis hafa ary tsy mamorona fikambanana (groupe)… Ohatra, ny fikambanana dia misy: ny avy any Delhi dia eto, ireo avy any Karolbag kosa eto, ary ireo avy any amin’ny toeran-kafa dia eroa, ary ny avy any Bombay eto. Avy eo, amin’ireo olona avy any Bombay, ny sasany dia avy any Nagpada; ireo hafa avy any Dadar, ary ny ambiny avy any amin’ny toeran-kafa. Raha manao izany, hitoetra irery ianao, ary tsy hisy intsony Sahaja Yogis.

 Tsy misy olona afaka manangana antoko (bande à part), na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Tsy misy olona tokony hiheritreritra hoe mpikambana amin’ny fikambanana iray. Raha misy olona 10 miaraka foana ary ireo olona 10 ireo dia miaraka foana, azontsika lazaina fa misy fikambanana miforona. Ho an’ny Sahaja Yogis, ireo olona 10 ireo dia tsy tokony hiaraka lalandava. Miara-mipetraka amin’ireo olona ireo ianao izao, ary rahampitso miaraka aminy, ary rahafakampitso miaraka amin’ny hafa. Ohatra, manana sombin-drà (sang) kely isika, izay ataontsika hoe sela (cellules). Ataontsika hoe miforona amin’ny toerana iray izy ireo, ary ireo sela (cellules) 10 ireo dia hihangona amin’ity toerana ity fotsiny, ho faty ny olona iray, ho faty ny Sahaja Yoga. Izany no midika fa raha misy olona 10 miaraka satria mihevitra izy ireo fa fikambanana iray, ny etsy koa fikambanana, ary ny aroa koa fikambanana, izany dia mifanohitra amin’ny ataontsika hoe “rakta-visaran”, fikorianan’ny rà, izay tokony hikoriana tsara ao anatintsika ao. Noho izany, tsy misy fikambanana azo aorina. Eo amin’ny toerana iray izay heverinao hoe misy fikambanana mijoro, ilaozy io fikambanana io ary mandehana any amin’ny fikambanana hafa. Ravao io fikambanana io, ary teneno hoe mandehana mankany amin’ny fikambanana izao. Fa raha tsy manao izany ianao, ny faharatsiana (négativité) dia hanohy hatrany amin’ny famoronana fikambanana ao anatin’ny firaisankina (colléctivité)… Izany no antony tsy hananganana fikambanana, tokony hihaona amin’ireo olona ireo tsy misy fanavakavahana ianareo, tia ny olon-drehetra, ary miezaka ny hahalala (comprendre) ny tsirairay avy. Tsy tokony hanakina (critiquer) ny hafa, na oviana na oviana, ianareo, mandrakizay.”

 Shri Mataji Nirmala Devi, Mahahakali Puja, traduit de l’Hindi, Calcutta, Indie, 01/04/1986

Cette traduction en Hindi vient d’être partagée aujourd’hui par les Yogis indiens qui l’ont mise en anglais.

 Mila mitandrina tsara isika amin’ny tsy fananganana fikambanana ao anatin’ny fikambanana, satria izany dia mangeja ny olon-drehetra mihoatra amin’ny hafa ary manimba ny hafaliana ao anatin’ny fianakavian’ny mpinamana rehetra. Mety hiteraka fahasamihafana miendrika fanilikilihana avy amin’ireo voaolika (isolés) izany. Sahaja Yoga dia tsy Yoga mangeja ny hafa tsy hihaona amin’izao tontolo izao fa tokony homena ny rehetra. Izany no antony ilana ny fandehanana any amin’ny hafa.

Araho ny lien manaraka raha te hamaky ny lahatsoratra amin’ny teny frantsay : Ne formez pas de groupe 

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

22 Aogositra 2013

MANTRA ARAKA NY FIJERY SAHAJA YOGA

YOGA

SHIVA FAMILY

“Om Twameva Sakshat Shri (anaran’i Déité) Sakshat

Shri Adi Shakti Mataji Shri Nirmala Devi Namoh Namah”

Ny « Déités » dia ireo anjely na koa ireo Masina izay mitoetra ao amin’ny chakra iray.

Ohatra : Raha hiantso ny Déité-ny Mooladhara chakra dia antsoina i Shri Ganesha.

“Om Twameva Sakshat Shri Ganesha Sakshat

Shri Adi Shakti Mataji Shri Nirmala Devi Namoh Namah”

 

  OM : Matoanteny voalohany indrindra, ny feo noforonina voalohany (naad), izay namorona izao rehetra izao. Io no naoty voalohany indrindra. Azo henoina tsara ny fiakaran’ny Kundalini manaraka ny Sushumna Nadi rehefa manonona ny mantra OM. Ny ankamaroan’ny mantra rehetra amin’ny teny sankrit dia manomboka amin’ny OM.

Twameva Sakshat Shri Ganesha : Ho anao izay Shri Ganesha.

Sakshat Shri Adi Shakti :Ianao marina ilay Hery voalohany indrindra (Adi Shakti) na fanahy masina (araka ny fijery kristianina).

Mataji : Ianao ilay Reny Masina.

Shri Nirmala Dévi : ho anao ry Andriananahary (Nirmala).

Namoh Namaha : miondrika anoloanao aho, manaja Anao aho.

Ireo anjely izay mitoetra ao amin’ireo chakras dia azo antsoina araka io fomba etsy ambony io.

Miasa amin’ireo fantsona telo (afovoany, havia ary havanana, miaraka amin’ireo Shakti-ny (fahefana) ny mantra. Ny tena manan-danja indrindra dia Shri Bhairava sy Shri Hanumana izay mifandraika amin’ny Arkanjely Michel sy Gabriel.

Misy ihany koa ny mantra izay mifandraika amin’ireo elemanta dimy. Oh: Shri Boomi Dévi, ho an’ny tany

Shri Nirvihara Samadi no mantra mba ahazoana ny saina tony tsy misy eritreritra (conscience sans pensées) sy hanafoanana ireo teknika diso rehetra talohan’ny nidirana ato amin’ny Sahaja Yoga.

Ny fanononana amin’ny fo madio sy feno fanajana ny Mantra dia mihatra avy hatrany amin’ny vatantsika rehetra ary manaporofo ny fisian’ireo Anjely izay ao anatinstika ao ary milaza fa ao ao amin’ny fototra ny fivavahana rehetra isika.

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

21 jolay 2013

BANDHANbandhan

07 desambra-2012

FIADIANA AMIN’NY FAHAVALO

« … Tsy tokony hampiasa sabatra na fitaovam-piadiana hafa ianao hiadiana amin’ny fahavalonao. Misy fomba tsotra roa afahanao mifehy azy.

Ny voalohany dia ny fampiasanao ny Fitiavana, ny Fitiavanao madio. Andramo ! Mety hampitsonika fon’olona maro ianao noho io Fitiavana io !

Raha tsy mety izany, afa-mipetraka ianao, miditra ao anatinao (méditer) ary manao bandhans. Misy karazany maro ny fanaovana bandhans, ary miasa haingana sy tsara ka mety hampitolagaga anao !

… Raha misy olona hafa mitady hanao bandhans, tsy handaitra izany. Tsy misy afatsy avy aminareo ihany, Sahaja Yogis, teraka tao amin’ny Fanahin’izy ireo, no mampandaitra ny bandhans… Tokony hatoky, fotsiny, ny herinareo ianareo. »

Shri Mataji Nirmala Devi, Ganesha Puja, Cabella, Italie, 10/09/95

02 OKTOBRA-2012

SAHASRARA CHAKRA – LESONA FOTOTRA

Mbola lavitry ny ego sy super-ego isika ao anaty
Sahasrara, izany hoe : lavitry ny “izaho” izay
voafetra. Eto, ao anaty fahanginan’ny saina tony
tsy misy eritreritra no afahan-tsika mihaona
amin’Andriamanitra. Io no tanjon-tsika, toerana
izay afahantsika mahatratra ny tsy misy fiafarana.
Ao amin’ny Sahasrara no fitoeran’ireo toetra tsara
rehetra anananan-tsika. Samy mahazo ny toerany,
Ao, ireo chakra ka hifoha avokoa.

Toetra : Rehefa tafakatra ao amin’ny Sahasrara ny
Kundalini dia manomboka mivelatra ireo felana
arivony. Ny fahatsapan-Tenantsika (Atma) dia
hiray amin’ny fahatsapan-Tena tsy manam-petra
(Paramatma). Io no Fahatanterahana na
Fahaterahana indray. Io « Nirvana »-ny
Boddhisma, « résurrection »-ny Islam ary
« Moksha »-ny hindoisma. Tany am-boalohany dia
ilay lazain’ny kristianina fa batisa na batemy. Ny
teny yoga dia midika “firaisana” na “fifandraisana”
ary mandefa ny firaisana ao anaty any amin’ny
tontolo tsy manam-petra. Ny “religion” na
fivavahana dia avy amin’ny teny latina “religere”,
mampifandray.
Azontsika henoina io firaisana io amin’ny tsiodrivotra
mangatsiaka…

Azon-tsika atao ny mi-TELECHARGER na mi-IMPRIMER ny lesona PDF mikasika ny Sahasrara chakra amin’ity lien manaraka ity :

SAHASRARA AMIN’NY FITENY MALAGASY

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

15-SEPTAMBRA-2012

AGNYA CHAKRA – LESONA FOTOTRA

Toetra :
Ny fahefana lehibe indrindra ao amin’ny Agnya
chakra dia ny famelankeloka. Tsy afa-mihoatra ny
ego isika raha tsy misy io hery io. Rehefa haintsika
ny mamela heloka dia afaka amin’ny eritreritra sy
hery ratsy isika ka afaka maka aina tanteraka ao anaty.

Ao anivon’ny atidoha no misy ny Agnya chakra. Ny
ego sy super-ego no mampihetsika azy io. Tena
ilain-tsika daholo izy roa ireo satria raha tsy misy
ny ego isika dia tsy afaka manao na inona na
inona intsony. Fa kosa tokony holanjalanjain-tsika
tsara ireo baolina roa ireo…

Azon-tsika atao ny mi-TELECHARGER na mi-IMPRIMER ny lesona PDF mikasika ny Vishuddhi chakra amin’ity lien manaraka ity :

AGNYACHAKRA AMIN’NY FITENY MALAGASY

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

06-SEPTAMBRA-2012

VISHUDDHI CHAKRA – LESONA FOTOTRA

… Aorian’ny Fahatanterahana, miaka-tsehatra iray
indray ny fifandraisana. Ny Vishuddi chakra no
afahantsika mahatsapa vibrations. Tsy vitan’izany
anefa fa afaka mahalala bebe kokoa ny momba
Antsika Isika ary ihany koa mahatsapa ny
vibrations-ny hafa, mba hanampiana azy ireo ka
afahan’ny rehetra mahazo ny firindrana.
Lasa haintsika ny mifaly amin’ny halalina sy ny
hatsaran’ny hafa noho ny vibrations.
Ny toetra iray tena manan-danja ananan’ny
Vishuddi chakra, tsy very anefa ny firindrana ao
anatintsika ao, dia ilay fahafahana mitazana ka tsy
vosaringotry ny tsilalaon’ny fiainana. Tsy midika
fandraisantsika  andraikitra maro na ihany koa tsy
firaharahiantsika ny hafa izany, fa kosa
ny hampifandraisantsika ny eritreritra,
ny fihetsehem-po, ny fikasana maro samihafa, ny
fomba mahazatra rehetra, ka ho voatazona foana
ilay firindrana na dia maro aza ny zavamanahirana
amin’ny fiainana…

Azon-tsika atao ny mi-TELECHARGER na mi-IMPRIMER ny lesona PDF mikasika ny Vishuddhi chakra amin’ity lien manaraka ity :

VISHUDDHI CHAKRA AMIN’NY FITENY MALAGASY

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

02-SEPTAMBRA-2012

ANAHATA CHAKRA – LESONA FOTOTRA

Ny Anahata havia no fitoeran’ny Fanahy na Atma.  Ny fanahy no maha-olona antsika (notre Soi), izay
milaza  ny  fahamarinana (sat),  Fahatsapan-tena (chit)  ary  hafaliana (ananda).  Tsy  afa-miasa  ny
Fanahy raha tsy madio sy misokatra ny fon-tsika. Matetika  dia  adinontsika  io  solika  io ka  ny
vatantsika,  ny  fihetseham-pontsika,  ny  saintsika,  ny  ahiahintsika  na  ny  tahotra,  ny  olana, ny
fianakaviantsika  na  ny  fomban-drazana no  lazaintsika  fa  isika. Shri  Mataji  dia  nanambara
foana  fa  fitaka  avokoa  ireny  rehetra  ireny  :  “Ianareo  dia  tsy  inona  fa  ilay  Fanahy  tsy  mety maty”

(“Vous  n’êtes  rien  d’autre  que  votre  Esprit éternel”).

Toetra : Ny Atma  dia  ilay Fitiavana madio. Afangarontsika  amin’ny  filan’ny vatana matetika  io  fitiavana  io, na
ihany  koa  ny  filan-tsika,  miaraka  amin’ny fitadiavana  fiarovana  eo  amin’ny  harena. Ny fitiavana  madio  dia  tsy  mila  antony  manokana afahany  miasa,  ny  fitiavana  dia  tahaka  ny  hazo izay  manome  ny  aloka,  ka  tsy  manavaka izay tokony  omeny  izany. Ny  Fitiavana  madio  dia nipoitra  avy  ao  amin’ny  Atma  fa  tsy  avy  amin’ny vatana na koa ny saina. Ny  tahotra  no  fahavalon’ny  Fitiavana  madio. Izay no  mahatonga  ilay  fahatsapana  ho  voaaro dia
endrika  goavana  amin’ny  fahamafisan’ny Chakran’ny  fo. Io  fahatsapana  ho  voaaro dia iandraiketan’ny  Fo  afoavoany. Io  chakra  io  no fototry  ny  hery  fiarovana  rehetra  ao  amin’ny vatantsika.
Miseho  amin’ny  alalan’ny  fandraisana  andraikitra io  fitiavana  io  ao  amin’ny  fo  havanana.  Ny  fo
havanana  no  manampy  antsika  amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fahalalana onona…


Azon-tsika atao ny mi-TELECHARGER na mi-IMPRIMER ny lesona PDF mikasika ny Anahata chakra amin’ity lien manaraka ity :

ANAHATA CHAKRA AMIN’NY FITENY MALAGASY

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

30-AOUT-2012

NABHI CHAKRA – LESONA FOTOTRA

Ny Nabhi chakra no miandraikitra ny filaminana amin’ny lafiny rehetra : ao anatintsika, ao amin’ny ankohonana ary eny amin’ny fiarahamonina.
Toetra : Ny fiononana no afahana mametraka ny filaminana ao anaty. Mba hahatongavana amin’io filaminana ao anaty io anefa dia zava-dehibe ny
fahafahantsika mihinan-kanina rehefa noana ary ny fananantsika tafo. Ny Nabhi chakra no ivon’ny fiainana tsara, eo amin’ny lafiny ara-batana sy aramaterialy.
Eto amin’izao fiaraha-monintsika izao, dia adinontsika ilay fanomezana fahafaham-po ilay filana ara-materialy izay mivoatra isan’andro.
Rehefa miasa ny Nabhi chakra, miasa amin’ny lafiny rehetra ny fiononana. Tsy manjaka intsony ny fitiavantena ary mitoetra ao anaty ny hafaliana
sy ny fahaizana manome sy manampy ny hafa…

Azon-tsika atao ny mi-TELECHARGER na mi-IMPRIMER ny lesona PDF mikasika ny Swadisthan chakra amin’ity lien manaraka ity :

NABHI CHAKRA AMIN’NY FITENY MALAGASY

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

24-AOUT-2012

SWADISTHAN CHAKRA – LESONA FOTOTRA

Ny Swadisthan chakra no mikarakara ny fomoronana sy ny fahalalàna.

Tao anatin’ny taonjato maro dia afaka namaha ny olana nisy
teo aminy sy tamin’ny fomba feno fahatsorana ny zanak’olombelona.

Ny famoronana no nahafahantsika, tsy ny fanamboarana zava-baovao
ihany, fa nampianatra antsika ny kanto teo
amin’ny fiainana iray manontolo…

Azon-tsika atao ny mi-TELECHARGER na mi-IMPRIMER ny lesona PDF mikasika ny Swadisthan chakra amin’ity lien manaraka ity :

SWADISTHAN CHAKRA AMIN’NY FITENY MALAGASY

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

22-AOUT-2012

MOOLADHARA CHAKRA – LESONA FOTOTRA

Ny Mooladhara chakra dia mitoetra eo amin’ny fototry ny système subtile-tsika. Izy no fototra sy miazona ireo Chakras hafa.
Eo ambonin’io Chakra io no misy ny Sacrum na ny taolam-body,
ilay fitoeran’ny Kundalini, izay hery mamelona (énergie vitale).
Ny Mooladhara dia avy amin’ny teny Sanskrit. Moola dia midika hoe faka
izay mifandray amin’ny Kundalini, adhara dia midika andry.

Azo lazaina izany ny Mooladhara hoe : « andrin’ny Kundalini ». Rehefa madio sy mirindra tsara io chakra io, dia afaka miakatra ny Kundalini…

Azon-tsika atao ny mi-TELECHARGER na mi-IMPRIMER ny lesona PDF mikasika ny Mooladhara chakra amin’ity lien manaraka ity :

MOOLADHARA CHAKRA AMIN’NY FITENY MALAGASY

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

21-AOUT-2012

NY FITAOVAM-PIADIANA LEHIBE INDRINDRA

« Ny fifamelana no fitaovam-piadiana lehibe indrindra anananao, ny fitaovam-piadiana lehibe indrindra anananao dia ny famelanao, ary amin’ny lafiny rehetra, milaza izany ny vatan’ny Bouddha.

Tsy tohina na amin’inona na amin’inona no ahazonao ny fanajanao ny tenanao, hitanao. Tahaka ny sambo izay tokony hitsingevana, raha alefanao ambony ranomasina ny sambo ary potika izy, inona no anamboarana sambo ? Inona no liana ny maha-Sahaja Yogi raha mikorontana isaky ny mihetsika ? Ataovy izay tsy maharendrika anao, raha tsy mety rendrika ianao, tsy misy afaka ny hanelingelina anao. Ekena ?

Mandeha ny elefanta fa ny alika mivovo eny ihany, aoka izy hivovo, tsy misy iraharahiana izany. Mijery aty amin’ny ilany aty ny elefanta, ohatr’izao, mitroka rano izay indraindray ary mitsodrano avy eo.

Ekena ? Mitonia ianao, mba hampangatsiaka ny lohanao. Izany no hahazonao ny fanajanao ny tenanao ary ho fantatrao hoe iza ianao, olona faran’izay ambony. Ary izany no hanesoranao ny ego-nao, izany olana goavana raha ny filazan’ny olona…

Afaka miteny amin’ny ego isika : “Ndeha any”. Rehefa io “izaho” io no lasa, miseho ny Izaho. Inona no mandratra amin’izany ? Maninona no mijaly ? Maninona no mampijaly ny hafa ?

Marina, ekena, nofitahana ianao, fa kosa tsy namitaka ny hafa, mifalia amin’izany. Fa rehefa tsy misy ego intsony ianao, izany no midika fa ao anaty manolotena ianao, ary tsy misy olona afaka ny hamitaka anao. Azonao ve izany ? Tsy azon’olona fitahana ianao satria misy hery goavana miahy anao.

Avy amin’izany fomba izany no ahazoana an’i Bouddha… Tokony ho fantarintsika ireo toetra tsara avy amin’I Bouddha, izany no mampietry ny egon-tsika. Rehefa miteny ianao : Neny, apetrakay eo am-pelatananao izahay,” izany no midika fa manalefaka ny ego-nareo ianareo, izay fotsiny… Ary hihomehy amin’ny zavatra rehetra ianareo, hihomehy amin’ny tenanareo ianao, ary hanararaotra ny zavatra rehetra ianareo.”

Shri Mataji Nirmala Devi, Shri Bouddha Puja, Deinze, Belgium, 04/08/1991

 Ny famelankeloka no fitaovana iadiana amin’ny hery ratsy izay mety hampidina ny moraly. Amin’ny famelana ireo izay manelingelina, ny kotaba, ny tsy fahatomombanana… no hahatongavana amin’ny conscience sans pensée. Aza inoana kely ihany hoe ny ego no ampinga, fiarovana amin’ny fanararaotan’ny hafa na ny fanambanian’izy ireo. Fa kosa, amin’ny famelana sy ny tsy fanaovana valifaty, no afahana mametraka elanelana eo amin’ny fampiasan-kerin’ny hafa sy ny tenanao. Ao amin’io tontolo io no iasan’ny “hatsarambitana”  (chance), Andriamanitra na ireo Ganas miasa sy hahatsapantsika fa mitodika aty amintsika ny vintana.

Ho an’ireo mila Version française, tsidiho ny http://dictionnairesahajayoga.blogspot.com/2011/05/la-plus-grande-arme-sahaja-yoga.html

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

————————————————————————————————————————-

12-AOUT-2012

NY PARAM CHAITANYA

” Ireo olona izay manoratra aty amiko momba ny olana mianjady amin’izy ireo. Tsy haiko izay lazaina, afatsy ny hoe : “Mino ny Param Chaitanya ve ianao ? »Marina izany, fantany ny zava-drehetra: izay tokony atao, izay tokony ahitsy, izay tokony ho tenenina. Ohatra, afaka mamorona poezia izy, mozika, azony foronony daholo, fa (raha tsy misy izany) apetrakao amin’ny Param Chaitanya ve ny tenanao na aiza na aiza ? Io no endrika faharoa-ny fahendrena : hendry ve ianao ka afaka mametraka izao rehetra izao amin’ny Param Chaitanya, rehefa avy nanandrana azy ?…

Ny fahendrena izany dia miankina amin’ny fahalalana ny asan’ny Param Chaitanya, ny fomba fitantanany anao, hanampiany anao, hiarovany anao, ahoana, noho ny Param Chaitanya, afaka miaina tsara ianao…

Henontsika matetika : « apetraho amin’Andriamanitra izany ! Apetraho amin’Andriamanitra ny fiainanao ! » Fa Andriamanitra dia midika… Tsy haiko izay fandraisan’izy ireo an’Andriamanitra. Andriamanitra dia Param Chaitanya, Andriamanitra dia midika Hery Masin’ny Fiainana izay mampiaina ny zava-drehetra.

Azontsika jerena amin’ny fomba hafa izany : ny fahendrena dia ny fahatsapana fa na ny kely indrindra amin’izao rehetra izao dia noforonon’ilay Masina, ilay Hery Masina. Ary ireo kely indrindra sy ny sisa dia eo ambany fifehezana sy fitantan’ny Param Chaitanya. Tsy misy afa-mihetsika, raha tsy iasan’ny Param Chaitanya. Zavatra misy ifandraisany izany, izay misy amin’ny ankapobeny, izay tsy tsapan’ny olona ny olona ny zavatra ataony, izay tokony nataony.”

Shri Mataji, discours au sujet des vibrations, Cabella, Italie, 27/09/1998

Tsy tokony minomino foana : Any amin’ireo Yogis izay efa naheno ny vibrations, izay efa nanandrana ny fahefan’ny teknika-ny Sahaja Yoga, nefa, tsy mbola matoky io hery tsy manam-petra sy mahatsiaro tena io no iantefan’ny  resak’i Shri Mataji. Satria mafy be ny faneren’ny Maya eo amin’ny fiainana andavan’andro ka mahatonga antsika hanadino izay haintsika. Azontsika tsapain-tànana izany fahalalana izany rehefa subtils isika ary ny méditation ihany no fomba mampivoatra haingana. Fa rehefa tsy ao anatin’ny état méditatif isika, sarotra ny ifandraisana amin’ny sehatra io. Lasa miaina amin’ny saina isika, te hifehy ny zava-drehetra amin’ny fanazavana na ilay endriky ny tody, nefa ny toe-draharaha dia manana paramètre betsaka izay tsy azon’ny fanahintsika raisina.

Ho an’ireo mila Version française, tsidiho ny http://dictionnairesahajayoga.blogspot.com/2011/06/sahaja-yoga-presente-la-param-chaitanya.html

TSY AZO AMIDY NY DOCUMENTS SAHAJA YOGA REHETRA

EXPERIENCE REALISATION DU SOI

Programme public à Diego Suarez

Anio @ 4ora sy sasany tolak’andro ny famelabelaran-kevitra voalohany momba ny sahaja yoga any Antsiranana, Madagasikara.
ho raiketina isa’andro @ 4ora sy 30mn tolak’andro sy sabotsy ary alahady @ 9ora s sasany maraina ny fihaonana manaraka rehetra.