Posts Tagged ‘Fahadiovana’

Lesona fototra Sahaja Yoga

Shri Ganesha no teraka ho Jesoa Kristy

“Androany, hankalaza ny andro nahaterahan’i Shri Ganesha isika. Fantatrareo rehetra ny tantaran’ny nahaterahany ; tsy mila mamerina manazava izany intsony aho. Noho izy noforonin’ny Reny irery, avy amin’ny Adi Shakti, tahaka ny namoronany anareo tao aoriany ! Manaraka ny làlan’I Shri Ganesha izany ianareo.

Mamirapiratra tahaky ny Masony ny anareo. Ianareo rehetra dia manana endrika tsara tahaka Azy; na kely ianareo na lehibe na mahazo taona, tsy misy mahasamy hafa izany. Ny hatsarana rehetra dia miainga avy amin’ny taratr’I Shri Ganesha.

Raha afa-po Izy, tsy tokony hiahiahy ny amin’ireo déité hafa isika, satria ny fahefan’ireo déités rehetra dia an’i Shri Ganesha. Tahaka ny « vice-chancelier » Izy, mipetraka eo amin’ireo chakra tsirairay avy. Raha tsy mahazo alàlana avy aminy, tsy afaka ny handalo ny kundalini izay « Gauri » sy Reny virijinin’i Shri Ganesha.

Ankehitriny, tokony ho tsapantsika fa miaina ao anatin’ny fiaraha-monina tandrefana isika izay maro ny zavatra diso satria tsy naraharahiantsika mihitsy i Shri Ganesha hatramin’izay.

Tonga i Kristy ary ny hafany dia niparitaka manerana izao tontolo izao, ary maro ny zavatra resahintsika nefa tsy ampiharin’ireo kristianina akory. Satria ireo zavatra rehetra izay entiny dia tsy miorina amin’ny fahamarinana.

Ny marina dia i Shri Ganesha no teraka ho Jesoa Kristy. Raha izany no marina, tokony ho tsapan’izy ireo fa ny fahaterahana lehibe indrindra amin’ny hazavan’i Shri Ganesha.

Izany no Nolazainy : « Tsy hanana maso mijangajana ianao ». Raha ny izy, ny masina tsy mahay izany maso mijangajanga izany satria mahita fotsiny ihany izy, mahita izy. Tahaka ny nilazan’I Shri Ganeshwara azy tsara : “Niranjana pahene”, mahita fa tsy taitra, mijery fotsiny ihany.”

Izany no toetran’ny fahadiovana izay naroson’i Kristy, ny Andriamanintsika. Fa tsy mbola manana ireo toetra rehetra ireo isika. Aleo atao hoe mankalaza an’I Shri Ganesha ianareo. Inona no antony anaovanao izany ?

Midera an’i Shri Ganesha ianareo satria tokony hifoha ao anatinareo i Shri Ganesha ary koa satria tokony hanana ireo toetran’i Shri Ganesha ireo ianareo, tokony ho tsapa amin’ny masonareo izany fahadiovana izany.

Fa raha tsy izany, mpiatsara-velatsihy ianareo : raha mipetraka eto ianareo ary midera an’i Shri Ganesha nefa tsy mandefa ny fiambenanareo any amin’ny fiakarana, sahala amin’i Shri Ganesha, tsy misy dikany izany. Ambonin’izany, izy dia zaza mandrakizay, tsy manana ego izy, tsy voafatopatotra (conditionnement), zaza mandrakizay izay Izy noho izany. Tokony ho zaza mandrakizain’i Reny isika.

Mba ahatrarana io tanjona io, tsotra ny tokony ataontsika : mampiakatra ny Kundalini-tsika, manamafy orina azy, miditra anaty (méditer) ary mitazona hatrany ny fiambenantsika ao anaty ary tsy mihontsona. Izao, teneno « tsy taitra » izay midika fa tokony hijery fotsiny ihany ny zava-drehetra. Ary rehefa mijery tsy misy eritreritra, dia hiseho ny marina izay poezia tena izy.

Izany no mahatonga ireo poeta mahita bebe kokoa mihoatra amin’ny zavatra tokony ho hitan’ny olon-tsotra. Manomboka mandrakotra ny fahitanareo ny hatsarana ao anaty ary manomboka mahita ianareo.

Hitanareo ireo zazakely ; na inona na inona fiavian’izy ireo, na inona na inona firenena nihavian’izy ireo, Japan, Angletera, India, Aostralia na hafa ihany koa, tsara foana izy ireo amin’ny ankapobeny…”

1990-08-26 Shri Ganesha Puja, Lanersbach

Shri Ganesh

Shri Mataji : God’s Desire, Ego & Left Side TrFr

Chakras

SubtleSystemChartWeb1

Aiza ho aiza amin’ireto fahatsaran’ny Chakras fito ireto ny fahamendrehan-tsika ?

Koa handeha ary isika hiara-hijery sy handinika izany  fahatsarana tokony ho hita ao amin’ny tenan-tsika izany e.

Chakra: Muladhara

Fahatsarana:

  • Fahatsoram-po
  • Fahadiovana
  • Fanetretena
  • Fahendrena
  • Fandanjalanjana

Chakra: Swadhistan

Fahatsarana :

  • Fiheverana feno
  • Fahalalana feno
  • Fahaiza-mamorona

Chakra: Nabhi

Fahatsarana :

  • Fahafaham-po
  • Fahasambarana
  • Fivoarana
  • Fiadanana ao anaty

Chakra: Anahata

Fahatsarana :

  • Fitiavana
  • Fandraisana andraikitra
  • Fitokiana sy fahatokisana
  • Fangorahana
  • Fahalemem-panahy

Chakra: Vishuddhi

Fahatsarana :

  • Fifandraisana
  • Fanajana ny Tena sy ny hafa
  • Fitondran-tena mendrika

Chakra: Agnya

Fahatsarana :

  • Famelana/ Famelan-keloka

Chakra: Sahasrara

Fahatsarana :

  • Fihombonan’ny Tena amin’ny tontolo
  • Firindrana